Le Mans, faha- 8 desambra 2015

Andro fanokafana ny taonan’ny Famindram-po.

 

Ry havana aman-tsakaiza,

 

          Noely, fetin’ny Fahatongavana ho nofo, Andriamanitra Emanoela tonga miaraka amintsika. Tonga eo anivon’izao tontolontsika izao Izy, ao amin’ny fiainantsika andavanandro. Tonga mandrakariva amin’ny fomba tsy ampoizina Izy satria « ao amin’ny zava-miseho rehetra Andriamanitra » Const. N°4. Tena sarotra ny misaintsaina ity fehezan-teny izay haintsika tsianjery ity, noho ireo zava-mitranga iainan’ireo firenena sasany tato anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa izay sy tamin’ny fotoana sasany ao amin’ny tantaran’ny firenena hafa ihany koa. Fomba ahoana no ahatakaran’ny saina io fisian’Andriamanitra io manoloana ny fanafihana ny tsy manan-tsiny sy ny famonoana izay rehetra tojo amin’ny fomba tsy ampoizina? Nefa,  eo tokoa Izy !

 

          Naniry ny ho tonga tahaka ny zazakely Andriamanitra, osa sy malemy, tsy afa-miaro tena, miankina amin’ny hafa. Mampahatsiaro antsika an’izany ilay zazakely ao an- tranon’omby. Mitohy ny fahatongavany eo anivontsika, ao amin’ny zava-mitranga iainantsika isan’andro, eo amin’ny fihaonana, amin’ny fifampizarana,  amin’ny Tenin’Andriamanitra izay nodinihina, amin’ny fanapahan-kevitra noraisina,  amin’ny fisarahana ara-pahafatesana (fisaonana) iainana. Miditra ao amin’ ny maha-antsika antsika, amin’ny farany lalina indrindra ao amintsika Izy ary mamelona indray ao anatintsika ao « ny finoana, ny fanantenana tsy azo resena ». Rehefa avy eo dia « Ny fitiavany no mampitsimoka ao aminao ny hery vaovao tsy lany tovozina sy ny fahasahiana ao anatin’ny fiadanam-po. » Const. N° 4. Mijoro isika na dia ao anatin’ny fahoriana aza, satria mitoetra ao amintsika ny halemem-panahiny sy ny fitiavany .

 

        Ao amin’ ny fotoanan’ny fiaviana isika izao, eo am-panomanana ny fontsika handray an’i Jesoa. Miari-tory isika, miandry, maniry ny fahatongavany tahaka ny miandry ny fahatongavan’ny olona tiana, eo am-pitandremana ny lelafom-paniriana mba tsy ho faty. Isan’andro, sady miaina ny fiaviana isika, no miaina ihany koa ny Noely ary ny Paka koa aza. Satria tonga isan’andro ao amintsika ny Tompo ary manao andram-piainan’ny halemem-panahiny sy ny heriny isika.

 

          Teraka tao an-tranon’omby i Jesoa satria teny ‘an-dalana’ (am-pandehanana) ny ray aman-dreniny tamin’ny fotoana nahaterahany. Hatramin’ny nahaterahany teto an-tany dia niaina ny fahasarotan’ny fiainana izy, nandositra tany ivelan’ny faritaniny. « Tonga tao amin’ny olony Izy , fa ny olony tsy nandray azy » Jo 1, 11

 

          Mampitovy ny tenany tahaka ireo lehilahy, vehivavy, zaza, aman’arivony izay an-tsesitany amin’izao andro diavintsika izao i Jesoa ! Amin’ny fomba manao ahoana no ijerentsika ny zava-mitranga, amin’ireto mpitsoa-ponenana maro izay miala ny fireneny na mangataka fialokalokana ao amin’ny firenentsika ireto ? Avelantsika hanohina ny fontsika  ve ireo sary izay miditra ny tranontsika isaky ny hariva (fahitalavitra) ? sa solointsika haingana zavatra hafa mahafinaritra kokoa ny fandaharana. Eny, nefa tsy afaka manao na inona na inona amin’izany aho…diso izany ! Tsy manam-petra ny vavaka, na ny fotoana, na ny  efitany. « Ao anatin’ny fahanginana samirery izay iandrasan’Andriamanitra anao, manatóna azy ary ento eo anatrehany ny zavatra rehetra ao am-ponao : ny Fanjakany, ny maha-iraka anao, ireo anadahy sy rahavavinao » Const.N°25    

 

          Noely, « Fiadanana eto an-tany ho an’ireo olona izay tiany » hoy ny hiran’ireo Anjely !

          Fiadanana, ity hery mangina, ity fahatoniana izay hita taratra avy amin’ ny fo itoeran’ny fitiavana sy ny fisian’Andriamanitra. Ity fiadanana lalina ao am-pontsika izay mahatonga antsika ho mahery sy tony eo anatrehan’ny fitsapana, manampy antsika hijoro sy hitraka izy !   

 

        Eny, tonga miaraka amintsika i Jesoa amin’ny Noely, ‘tsy mandalo ‘fotsiny Izy fa tonga monina ao am-pontsika. Ts’izany ve no antony hankalazantsika azy miaraka ? Hoy i Monseigneur Stenger, Evekan’i Troyes sy Filohan’i « Pax Christi » eto Lafrantsa tamin’ny soratra nataony : « Noely, fetin’ny fianakaviana marobe izay tsy voafetran’ny efitany, na toerana, na fotoana. Fianakaviana izay mila aorina mandrakariva, maro ireo rindrina nampiakarina ho avo mba hampisaraka ny olombelona amin’izy samy olombelona, ary tsisy afaka hanorina an’izany raha tsy ao amin’ny fandraisana ny fanomezan’ ny fitiavan’Andriamanitra ihany.  izay tanteraka ho an’ny olona tsirairay ao amin’ny fahatongavan’i Kristy ho nofo ».   

 

          Enga anie ny Noely no hanome anareo tsirairay avy sy ny fianakavianareo ity fiadanana anaty ity,  ity fahatoniana mipololotra avy ao amin’ny fo feno hafaliana izay miaiky fa lehibe tokoa ny fanomezan’ny fitiavan’Andriamanitra.

 

            Ity taona 2016 ity anie ho taona feno (mihoapampana) ny famindram-po, ny Famindram-pon’Andriamanitra ho antsika, sy ny famindrampontsika ho an’ny olona tsirairay izay mifanena amintsika. Andriamanitra no hitantana sy hivimbina ! Deus Providebit !

 

Masera Martine Meuwissen

Lehiben’ny Fikambanana

                

Version imprimable | Plan du site
© La Providence de Ruillé sur Loir